Taona vaovao (julien rakotonirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mifalia fa ny taona vaovao
Nefa tsarovy ary aoka ho tsapanao
Mba asio jery todika ny lasa
Ka tombano ireo kinasa

Vaovao ity ny taona
Ny lasa nao mba ahoana
Ireo toetra ratsy zary fiainana
Avelao ivalona any ovay ny fisainana

Vaovao ity ny taona
Alamino dieny zao ny fotona
Hamaritana ny hoavy
Mba tsy hiraviravy

Dia hilamina ny fiainana
Tsisy tsony fitarainana
Fa ny taona vaovao
Dia toy zany koa zah sy ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1749 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : julien rakotonirina
Nampiditra : julienrakotonirina5
Daty : 16/12/2017 19:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014