You are here: home > Vetso

TENINDRAZAKO - Lova miar'shu

Ianao ry tenindrazako,
nampisokatra ny vavako.
Tsy haiko hosoloina,
na koa hohadinoina!
      Fa harena sarobidy,    
      manan-danja,nanam-bidy.
      Kanto raha angolaina,
      sady soa no fototr'aina!
Andrianiko hatrany,
hanako eran-tany.
Hitoetra lalandava,
ao an-tsaiko tsy ho rava!
        Avy aminao daholo,
        no nahaizako niteny.
        Ka tsy foiko ho asolo,
        ianao ry teny reny!

Mombamomba

Mpanoratra : Lova miar'shu


Nampiditra : lova miar'shu
Daty : 03/06/2016
Mpamangy : 414
Mankafy : 3
Ankafizo

Tononkalo hafa

GASY
SORATRO
NAMANA
FANIRIAKO
NY MARINA
ADINOY IZY
NY TANIKO
FITIAVANA HAFAHAFA
IANAO
TY FIAINAKO

Hametraka hevitra

Midira aloha