MPIRAHAVAVY ISIKA (Lova miar'shu)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPIRAHAVAVY ISIKA
Tsy hafa akory isika
Fa mpirahavavy foana
Ny ra mitovy dika
Ka hifandrafy ahoana?
Novonoinao tanaty ny diary
Ny soratry ny tantarako
Nosintoninao ambadiky ny sary
Ny rangotry ny anarako

Izaho ihany noho ianao
Fa mpirahavavy isika
Na hatrany hifandao
Mbola ary hifankahita
Ny amiko tsy azonao fafana
Ny aminao indray tsy tiako ho alana

Fa mpirahavavy isika na dia mpifankahala
Fa mpirahavavy ka samy tia miadaladala

Lova Miar shu
--------
Rohy:
527 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova miar'shu
Nampiditra : lova miar'shu
Daty : 02/12/2019 09:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141