RY LAY NOTIAVIKO (Lova miar'shu)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao nifankatia isika roa dia nosembanan-drahona ny fiarahantsika
Indrisy tampoka teo tokoa nody ranomaso lay fifaliantsika
Nodimandry mantsy ianao ka lasana nandao ny tany,
Nanjary sanganehana aho sady latsa-tomany.
Nantenaiko ho toy ny paradisa ny fifankatiavantsika
Kinanjo nafoy tao anaty iray minitra
Manoroka anao aho ho fara-veloma
Hanala sorisory ty foko voadona
Efa natokako ho anao ny amiko ry lay notiaviko
Ka ny sarinao no hany afaka hotiaviko
Koa veloma mandrakizay no sisa azoko ambara
Fa ianao lay notiaviko tsy natao ho anjara
--------
Rohy:
1118 3
Hevitra mandeha
lova miar'shu ( 16/07/2019 17:51)
misaotra indrindra anao namaky
ikalamako ( 16/07/2019 20:30)
Tam-pitiavana o !
Mandrosoa hasina.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova miar'shu
Nampiditra : miderasoa
Daty : 06/06/2019 12:35
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144