HAIZIMPITO. (Manantena Vonton-tSento)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
*Tao anaty haizimpito.
No niharampahoriana.
Nitomany sy nisento.
Norakofampijaliana.

*Tao anaty haizimpito.
No nandaozanao ahy.
Ilay endrikao feno tsiky .
Lasa aloka sy tsiahy.

*Tao anaty haizimpito.
Nampangina ity foko.
Tsy nahita ilay tiako.
Ontsaontsan'ny toloko.

*Tao anaty haizimpito.
No nitsesaka ny tany.
Ianao ilay faniriko
No nateliny lasany any.

*Manantena angamba aho.
Fa mbola hisy haizimpito.
Hifankahita izaho sy ianao.
Ka handao ny fijaliako.

*Manantena angamba aho.
Fa mbola hifankahita indray.
Hifankatia izaho sy ianao.
Ka handao ny fijaliako...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
830 1
Mpakafy: Nirrt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Manantena Vonton-tSento
Nampiditra : Nirrt
Daty : 22/09/2016 02:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013