HAFATRA (Manantena Vonton-tSento)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
*Ry voromanidina moa mba hoaiza.
Mba lazao ahy izany antondia.
Ity misy hafatra tiako ampitaina.
Izy hono hoe tsy afaka mankatia.

*Mandeha mianatsimo dia misy tanàna.
Lazao azy koa f'izy hoe mbola ho avy.
Sendra taraiky tsy nisy fiara.
Aza malahelo na koa mitomany.

*Ny lalana indray tsy dia sarotra hombana.
Fa feno rivotra malefa-defaka.
Raha manontany izy hilazao tsara.
Ho avy eo izy fa aza mikonetaka.

*Raha ny halaheloko indray no ambara.
Aoka atreo fa tsy vita lazaina.
Raha sendra tsy hita ary ilay tanàna.
Anotanio hoe Ambohibary sambaina.

*Izay fa veloma dia tongava soa.
Veloma ihany koa any amin'ilay havako..
Tsy mbola niova hono hoe raha ny fo.
Hoanao irery ihany ilay fitiavako...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
881 1
Mpakafy: Nirrt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Manantena Vonton-tSento
Nampiditra : Nirrt
Daty : 14/09/2016 19:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135