Ventsonkamboty (Manantena Vonton-tSento)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
*Raha vao misokatra ny vava,
Dia mahatsiaro anao ry Dada,
Raha vao hanomboka hiteny,
Dia mahatsiaro anao ry Neny,

*Savolaina ny fisainana,
Ity kamboty manirery,
Iza moa no hitarainana?
Iza no afaka hijery?

*Be akaso ve ny tany sa ny vintako no ratsy,
Ka mampivaky mitomany sy mampirotsa-dranomaso
Ity foko kely fenoratra mararary mila tsy ho tanty,

*Raha izany no jerena ,
Toa tsy hisy fifaliana,
Mampite hamono tena
Toa mavesatra aokizany ity hazo fijalia,

*Hany hery dia mivavaka,
Tompo tsara รด tantano.
Tsy latsaka any andavaka .
Na ho sendra tondra-drano.

*Fa Ianao irery ihany.
Ianao no afaka handidy.
Ka ho ekeko avy atrany .
Na ho mamy na mangidy.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
768 1
Mpakafy: Nirrt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Manantena Vonton-tSento
Nampiditra : Nirrt
Daty : 16/09/2016 03:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1348