You are here: home > Vetso

Tsy hiady - Mandefitra

Tsy hiady

Aza tanisaina akory irony lasa zay nandratra
fa ny ho avy no banjino
ny hetraketraky ny tany, ny tolona tsy omby tratra
ny eo antanana fihino

Aza atao mandratra fo ny alahelo zay niserana,
  irony alokadintsika.
Fa ny ampitso mbola ho soa, ny fifaliana ko tsy ferana
ny vita : sary indray mipika
  
Tsy anjely akory ianao, za ko tsy masin-dahy
ka tsy hanam-pahadisoana
hifandefitra isika, samy manana fanahy
handresy zato fahalavoana

fa ny tsiron ny fitiavana ,izy misy fitsapana
voninkazo misy lay.
Ka ny fototra iorenany, tsy simban' ady ho ravana,
Fo mitambatra ho iray

Sokajy : Fiainana

Hevitra mandeha

fiaritiana (29/11/2005 15:04:42)

Bonne e!isa 5

Mandefitra (01/12/2005 05:15:45)

Misaotra e

zoky (08/12/2005 06:51:28)

tsara e tena miainga tsra mitsy ny aingampanahy

hasinando (30/05/2006 15:14:05)

Misaotra fa misy ho dinihina!

Hametraka hevitra

Midira aloha