Zandry a! - Mandefitra
Azo vakiana?
Zandry a!
Ankafizo aloha ny fahazazana
Fa aza maika ny ho lehibe!
Raha mbola misy dada sy neny hihantana
Tsy aleo misakafo de avy eo mihomehy?
Vao miana-mandady ialahy dia tsarovy:
Ho mongo lohalika sy haloto tanana,
Ny mofo sy nono leroa tsy mitovy
Maika fa vary sy ny laoka anana!
Rehefa injay ka mahay mandeha,
Afoizo ny trotro sy ny tsiangory.
Tantanana sisa fa efa lehibe
Tsy misy mandrotsy raha mba te hatory!
Rehefa mba vantony taitram-pitia
Ny sipa ry zandry miketrika koa;
Fatorany ialahy raha toa izy tia,
Na ataony fanataka raha tsy mahavoa
Dia tonga ny taonan’ny te hanambady
Ataovy matevina ny any antsikinana;
Etsy ankilany aloha ampirevena ny vady
Ny havany koa tsy maintsy hivimbinana
Otrotr’izay nge ny zava-miandry
Santionany ireo fa mba saintsaino
Ka tsy aleo ve miondana nono ry zandry
Mipipy sy kaka dia avy eo mihainohaino?
Hevitra mandeha
mikous (29/07/2010 11:40:13)
zoky a! tena tsara aloha ilay hevitr'ise!
fa saingy izao no toa mampihomehy
ny olon-drehetra tsy hitovy ny lalany,
mety ialahy no vizana fa nosomparany!
fa ny sasany zao miadana ery...
tsy misy manataka fa be mpitia,
ka aza loloina ilay zandry kely...
manjary manahaka an'ilaikely!
mikous (29/07/2010 11:52:52)
laingako mantsy fa marina ihany,
be fitapitaka ny eto an-tany,
ka satry ijanona zaza ihany,
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Mandefitra
Nampiditra : mandefitraDaty : 29/07/2010
Mpamangy : 1560
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Vavaky ny MalagasySoron'afom-pitia
Ho an'ny ankohonany
Hangina aho
Vavaka
Voankazo voarara
Eny andalana
Tsy hiady
Nofo iray
Ry tiako