Vavaky ny Malagasy - Mandefitra
Azo vakiana?
Tompo o vonjeo
Fa amoron-kady zao
Ny firenenay
Ny fonay mba tendreo
Hatoky indrindra Anao
Ka tsy hanahiahy.
Na mifofofofo
Mamono sy mandripaka
Mamotika mandrava
Ny asan’ilay fetsy ...
Dia hino Anao tsy hiofo
Tsy hivadika tsy hisintaka
Hatoky lalandava
Satria Ianao Mpandresy!
Ny Voninahitrao,
Tsy ho ela dia ho hita
Tsy maintsy ho tafita
Ny tanindrazanay
Amen
Sokajy :
Tanindrazana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Mandefitra
Nampiditra : MandefitraDaty : 13/03/2009
Mpamangy : 1005
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Zandry a!Soron'afom-pitia
Ho an'ny ankohonany
Hangina aho
Vavaka
Voankazo voarara
Eny andalana
Tsy hiady
Nofo iray
Ry tiako