You are here: home > Vetso

Tsy fantatro ... - Nikopol


Tsy fantatro na ‘zaho no bombina,
Na ny fitiavana no masaka,
F’hatramin’ny nahitako anao,
Dia ny foko niparasaka …


Tsy fantatro na ‘zaho no dizina,
Na ny vinany no nanelatra ,
F’hatramin’ny nahalalako anao
Ny masoko aza mba manjelatra.


Tsy fantatro na ‘zaho no pôrina,
Na ny saiko no nipitsoka,
F’hatramin’ny nahitako anao
Ny fanahiko aza ditsoka …


Tsy fantatro na ‘zaho no kondrana,
Na mba efa dôzidôzy,
F’hatramin’ny nahalalako anao
Ny bozaka lazaiko ho raozy …


Fa ny revy entinao,
Dia revy mbola tsy mba araka …
Manadala tsotr’izao,
Na ny kintana aza raraka …


Nikopol-J

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

bichette (24/08/2005 10:53:06)

oadray !!!!

fiaritiana (26/08/2005 20:21:50)

izay ilay fitiavana koa

kally (13/09/2005 20:04:30)

Sambatra ianao izany tsara solomaso, mahita loko hafa noho ny tena izy tonga any an-tanin'ny sambatra e!

Kotity (14/09/2005 20:32:19)

aoka rangah marina e, zany an!

bichette (19/09/2005 17:02:14)

inn no dikan'izany dizina tokoa ? aleso am hafatra nikopol oooo

RADOUXE (21/09/2005 18:27:27)

Tena maay nareo le manorata fona fa komika be

fiaritiana (04/11/2005 01:25:34)

komika fa milay be
5/5 e!

Iony (13/12/2005 11:55:48)

entim-po enao zany d tafahotra lotra ny fiteny an!fa tsara ka,tohizo.

pissoa (18/02/2006 15:55:36)

Klounn mihitsy i Niko ity kah - hihihi

raozigasy (10/03/2006 23:01:09)

REVY MIAINGA
hoatsoatsy ny hoe te hizara sy anala azy miaraka amin-drazoky zany ny tenanay de nanoratsoratsa teto e !


Tsy haiko aloha ianao raha pôrina
Na dizzina na dôzidôzy
Fa lay revinao toa tsara bôrina
Ka lazaiko anao le kôzy

Tsy lasa lavitra ianao
Fa mbola eto an-tany ihany
Tsy haiko izay tsy zakanao,
Na i Sipa na i Vinany

Raha le Sipa de izao
Le revy miainga no ovao
Fa tonga izy de hiparitaka
Kôzy zany tsy mba fitaka

Raha le Vinany no nazefatra
De zao ny hafatra sy resaka
Le sahafa no akelezo
Ka ze zaka no fehezo

De zay le kôzinay raZoky
Zay le laverita sy boky
De aza ianihana le hazo
Fa ze maina aleo halazo

De ialao ko re le esma
Fa io ange mahatonga asthme
Sao midona ianao ka fesona
Ka asosany, atsikasiny

De ovay vazo re na dance
De le doudou aleo hi-staynce
Jereo zay filins milay
De zay le kôzy fa okay

Sixa zany raZoky e !

pissoa (13/03/2006 13:16:19)

Hahaha

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha