Raha hitanao izy - Nikopol
Azo vakiana?
RAHA HITANAO IZY
Raha hitanao izy,
Lazao fa tsy alahelo,
Na koa lolom-po
Ny eritreritro aminy…
Ireo rivotra nifofo,
Sy ny kotro-baratra
Nisarahanay…
Tantara sisa ireny…
Ny aminay ve?
Fo roa nanganohano,
Mbola virijiny,
Nianatra nitia.
Fitiavana voalohany,
Naraham-belirano.
Fifanomezan-toky,
Ny haharitra ho doria…
Nefa moa ny fiainana,
Nametraka ny lalany…
Ilay fiarahanay
Nataoko tsy hisy farany…
Tantara sisa ireny…
Eny ‘e,
Mety hisy tsiky,
Na sento tsy ho voatana…
Nefa lazao azy,
F’efa tony “hono”
Ny rano izay nitana.
Raha hitanao izy,
Lazao fa fifaliako
Ny hahasambatra azy…
Izaho hanohy ny diako,
Izy koa hiriako
Mba hanohy ny azy.
…/…
Nikopol -J
Hevitra mandeha
bichette (02/05/2005 16:11:34)
ntsooooooooooo ! tsara ilay tononkalo, tsara ny mahay manaiky
fiaritiana (02/05/2005 16:24:00)
kally (02/05/2005 20:26:16)
pissoa (03/05/2005 12:02:24)
Za zany te hitomanyyyyyyyyyyyyy
Tsara e!
nikopol (04/05/2005 09:59:03)
pissoa aza asiana ranomaso e ! lol
Misaotra anareo rehetra...
Bichette tsy anaiky kosa ve ? lol
fiaritiana he! atao ahoana moa...
kally merci !!!!!
Mombamomba
Mpanoratra : Nikopol
Nampiditra : nikopolDaty : 02/05/2005
Mpamangy : 1180
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Mbola velona ianao ...ilay nofinofinao
Avia avia Raorana
Ilay veloma farany
Poulahy é
Biloky
Kindriandriana
Bronx
Ilay fitiavako ...
Aza manana ahiahy