Fitia "serasera" na vonikazo soa... (Nikopol)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...

Mangitaka mangina,
Mamaky ny hafatrao…
Mamom-paniriana,
Manofy tsotr’izao…

Ny aminao sy ny azy?
Manomboka tsy fantany.
– Fitia? – Vazivazy?
– Henika ny tratrany –

Ny hariva tanin-korana,
Nihaonanareo iny.
Ny fony toa nangorana,
Tsy vita vakisiny.

Ny tsikinao angamba,
No diavolana aminy.
Ny fihetsehampony zao,
Tsy misy tokontaniny…

Ilay tositosy kely,
Indray alarobia,
Mamy toa tantely…
ireo antso an-tarobia…

Na ‘zay fotsiny aza,
Dia ampy hifaliany…
Satria – azony antoka –
Fa ianao no tiany…


...


Nikopol - J
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana - Fitiavana - manokana - ahy
1512 2
Hevitra mandeha
nikopol ( 25/04/2005 16:46)
Misy fanitsiana kely "ho azy", ilay andalana faharoa avy amin'ny farany dia toy izao no izy :

" Ilay tositosy kely,
T'akaiky lalam-by.
Mamy toa tantely...
Ireo antso an-tarobia..."

lol

io angamba no marimarina kokoa
andriary ( 26/04/2005 14:20)
elaela ianao izany ary dia nitondra vonikazo vaovao indray amin'ilay fahaizanao azy!misaotra!
Miarantsoa ( 26/04/2005 15:48)
Sambatra izy e ?
kally ( 28/04/2005 21:22)
Mpanoratra tsy mbola nandiso fanantenana hatramin'izao,mangetaheta foana izahay mpamaky ...
nikopol ( 02/05/2005 07:25)
andriary (pi-maso) , miarantsoa ary kally misaotra anareo.
miarantsoa angambany izy tsy sambatra fa atao hoe sambatrambatra lol
kally aza mamaky fotsiny fa mba asivo asa soratrao eto e! lol
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nikopol
Nampiditra : nikopol
Daty : 25/04/2005 15:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099