Embona (Ny solo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any mantsy ianao any izay r' ilay olon-tina
lavitra ny maso fa takatry ny saina
Ireo eritreritra fanamby sy visavisa
Mila hasetry ny rivotra lasa hobangaina

Raha ny sambofiarantsika dia mbola eto ihany
Ianao tsy nandao fa nialoha lalana ny tany
Ka homano ao re ny tranombongontsika
Fa ny maso mikipy izao no ela mamindra

Tsy misy ho ahy intsony ny ety an-tany ety
Ny heriko rehetra noentinao nialoha Dia
Anjara tokako ianao mandrakizay doria
Ka hamonjy anao aho fa tsy hijanona ety

Tsy mahatamana intsony raha ny fiainana
Ny ankanintsika moa nosomparan'ny malaina
Eny ianao izay harovan'ny zavona analin-kisa
Efa itako eto sahady izao,ilay anosim-paradisa


Ka na dia mangina aza ny an-dohasaha izao
Dia Andriamanitra ao an-dohantsika ao
Tsy fidiny ho antsika fa lahatry ny olona
Ka avelao, ho azy sy ny ao ambony; ny ady sy ny tolona
--------
Rohy:
1216 1
Mpakafy: Ny solo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny solo
Nampiditra : Ny solo
Daty : 28/09/2015 07:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134