... Efa tara ... (Paingotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
... Efa tara ...

Te handray tanana
te hiara-dalana
fa tsy sahy mivaky

...manotika ny anaty
fa misy manadala
ilay iriany ho malala

io fa sakambininy
io koa fa fihininy
dia nitsiky kely

...fa miala kely lavidavitra
misy tezitra sy rangitra
te hitroatra sy hamely

nefa izy iry toa faly
sy toa manomé alalana
ity hafa hanara-po
...fa ilehiry kosa mijaly

tsy takona afenina
sady saropiaro
rehefa mahita ireny
malahelo sy manenina
saingy eo vao mahatsiaro
hoe tahak'izay niteny

....ka iaraha-mahalala e!
tonga saina fa efa tara

#Paingotra
--------
Rohy:
799 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136