¤¤¤Tsapako¤¤¤ (Paingotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
¤¤¤Tsapako¤¤¤

Tsy fantatrao ny zakany
Tsy hitanao ny lasany
Tsy tratranao ny takany
Tsy tantinao ny dakany

Fa ny vitanao tsy misy dikany
Oharina amin'ny efa vitany
Fa sao anie ho aho hitomany e
Mahita azy sy ny sipany

Fananarana izy aloha e
Indrindra ho an'ireo izay efa voa
Fa ho an'ireo izay mafy loha
Aleo handeha hahita koa

... Sa hoe
Ianao hono no tena tiany
Anga vokatry ny fony akory iny
Sady,efa zatra mamitaka ny fony
Ka tsy hiova ho hendry izany intsony

#Paingotra
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
880 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014