You are here: home > Vetso

Madagasikara - Rasoa M

Izany foana no ao ambava
Ratsy ve sa tsara
Ilay Madagasikara
Ilay tany fihaviana
Tanindrazana izay tiana

Tsy entam-barotra tsy akory
Ilay nosy tanindrazantsika
Fa tany iray mitoetra
Miandry antsika rehetra

Ilay fiteny malagasy
Ahafahana milaza
N'inona n'inona ambara
Na ambava na antsoratra
Dia teny mamy tsara hafatra

N'aiza n'aiza misy anao
Raha mbola malagasy ihany
Dia tsarovy fa izao
Miandry anao aho ilay Tany

Ary aza miandry sy mangataka
Izay mba azony omena
Fa ianao no mitondra
Izay mba azonao ekena
Ahafahanao milaza tsara
Fa tianao i Madagasikara

Hadinoy izao rehetra izao
Azonao atao
Alaviro izay tsy tiana
Fa ny tanindrazanao
Aza avelanao mangina.

Rasoa M

Sokajy : Tanindrazana

Mombamomba

Mpanoratra : Rasoa M

Nampiditra : rasoambola
Daty : 24/03/2004
Mpamangy : 2025
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Azo tokana
Ny atao hoe fitia

Hametraka hevitra

Midira aloha