You are here: home > Vetso

Azo tokana - Rasoa M

Azo vakiana?

Raha ny azo no mba tokana
Eto anivon'ity faritra
Izay maina karakaina
Tsy ampy rano ka mangaina
Raha mahita ireto rahona
Toa mandalo tsy milatsaka
Dia lazaina fa hazo manirery
Tsy mba misy iray mijery
Dia lazaina fa hazo tsy mba ala
Ka ianao no ankahala
Nefa feno fitiavana
Ary mbola manantena
Toy izany ry Malala
Ilay oram-pisarahana
Ka ny fahoriana ihany
No tsy maintsy iafaharana.

Rasoa M

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Rasoa M

Nampiditra : rasoambola
Daty : 23/03/2004
Mpamangy : 924
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ny atao hoe fitia
Madagasikara