Ny atao hoe fitia (Rasoa M)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ny teny ahafaha-milaza
Ny dikan'ny teny atao hoe fitia
Saro-patarina sy lalina antsaina
Ka mahaiza mijery sy mankafy

Tiavo amin'ny herin'ny tena fitia
Aza ankalaina raha sendra mania
Fa ny heloka ataony aminao sanatria
Tsy midika mihintsy hoe izy tsy tia

Raha saro-piaro ianao na ilay izy
Dia fantaro fa tena fitiavana izay
Ka ataovy izay mety mba hampaniry
Ilay ora tsy ho tapitra mandrakizay

Tiana dia tiana
Tsy manana fetra
Tiavina mihoatran'ny zava-drehetra
Avy eo nefa toa lasa nilefa
Ka alako, alako, alako toetra

Mahaliana ranamana ny tena fitiavana
Ento mora aza taitra na koa sendotra
Tsy misy mahalala ny fiainan'ankotra
Ka aza manao fitia tafahotra.

Rasoa M.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2440 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rasoa M
Nampiditra : rasoambola
Daty : 23/03/2004 17:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093