Tiko Ianao (S.g)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIKO IANAO

Tiko Ianao Ry Malala
Satria Ianao Tsy Manan-tsahala
Na De Maro Aza Ireo Mpakahala
Matokia Fa Ho Mandra-maty Ity Tantara


Aza Kivy Ry Malala
Na Misetra Olana Ity Tantara
Koa Matokia Ahy Ianao Ry Tiko
Fa Ianao No Efa Nofidiko


Na Maro Aza Ireo Vehivavy
Matokisa Fa Izaho Tsy Hampirafy
Tadidio Fa Ny Foko Tsy Mba Hiala
Fa Hitia Anao Lalan-dava


Raha Sanatria Ka Lavitra Ahy
Aza Miasa Saina Fa Izaho Any Tsy Hanahy
Ary Mbola Averiko Ihany
Fa Ianao Irery No Tiko Eto An-tany

S.G
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2233 3
Mpakafy: Dannielle - tohindraza - mah15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : S.g
Nampiditra : tohindraza
Daty : 28/04/2016 15:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014