FIAINANA (S.g)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIAINANA
Mafy Tokoa Ity Fiainana An-tany
Mila Hahakivy Sy Hampitomany
Misy Ireo Ory Sy Mijaly
Ao Koa Anefa Ireo Mirana Sy Faly

Tsy Hita Ny Hilazana Ny Fiainana
Na Be Na Kely Toa Mahita Faisana
Ao Ny Tsy Mahazaka Ka Mamoy Fo
Ny Fiainana Anie Ka Mafy Tokoa

Misy Ny Milaza Ny Fiainana Any An-koatra
Ary Mahagaga Fa Ze Lasa Any Tsisy Mitroatra
Ny Fiainana An-danitra Hono No Milay
Nefa Misy Koa Ny Fiainan'ny Helo Maha Kila Sy May

Hy Hany Azo Atao Dia Mivavaka Foana
Hampilamina Ity Fiainana Fidinana Sy Havoana
Ny Fiainana Tokoa Re'lahy Mampiteny Ny Moana
Izay Tsy Mahay Mamindra Dia Misavoana

S.G
--------
Rohy:
1390 1
Mpakafy: tohindraza
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : S.g
Nampiditra : tohindraza
Daty : 13/05/2016 05:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015