Ry Malagasy (S.g)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Malagasy

Ry Malagasy tsy an-kanavaka
Ry Mpitondra fanjakana tsy anavahana
Ianareo mpitondra fiangonana rehetra
Ary ianareo Malagasy sasany mpanao amboletra

Moa ve isika mba mandefa saina lavitra ?
Sa dia ny eo ambany maso fotsiny fa tsy mitaka-davitra ?
Mba dinihinareo ve ny antony ady lahy etsy sy eroa ?
Ny areti-mandrigana isan-karazany mila handripaka antsika avokoa

Mba halalino re fa aza faly miadana ao anaty trano raitra
Aza dia tia tena fa mba jereo ireo ambany tanana sy olo-mahantra
Ry mpitondra fiangonana mivavaha ho antsika Malagasy
Fa tandindomin-doza ity firenena ka mandry andriran'antsy.

Aoka kosa mba samy handray andraikitra isika tsy anavahana
Mifankatiava ary manampia izay ory ianareo mpanana
Ianareo mpitondra mba hanome asa ireo tsy an'asa sy mirenireny
Andramo anie fa raha izany no tanteraka dia tsy hisy handroba eny ho eny

Mila diovina ny tanàna mba tsy hisian'ny valan-aretina
Ary tsy manary fako eny ho eny mba tsy hahatonga ny lakan-drano ho tsentsina
Izany ary no mba kely azo atolotra koa samia mieritreritra
Koa raiso ny andraikitra dia mba mifanoro hevitra

SG
©19:40 09/02/2018
--------
Rohy:
985 1
Mpakafy: tohindraza
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : S.g
Nampiditra : tohindraza
Daty : 09/03/2018 10:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142