You are here: home > Vetso

Vavaka - soama

             Vavaka
O ry Ray avo indrindra, Andriamanitra mahery.
Andrian'ny fiadanana.
Tahio re mba hirindra. Tafionao ny hery
Sy ombay fanentanana
Sao izato mba famindra, hamily sy hamery.
Ka hania aty an-dalana.

Toa mahitsy feno tsilo ny lalana mankany
An-tanjon-kifaharana.
Tompo o ilay fanilo, hitsinjo ahy hatrany
Raha tojo fahasahiranana.
F'izaho rahateo tsy handrarak'ilo;satria ianao ihany
No mpanome fitsaharana.

Soama.

Sokajy : fanantenana, Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : soama

Nampiditra : soama
Daty : 10/12/2003
Mpamangy : 2738
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

Rova
Nofy
Tsy haiko ny naneho
Rova
Ho an'i...

Hametraka hevitra

Midira aloha