You are here: home > Vetso

Rova - soama

Azo vakiana?

                    ROVA

Mba hamafàko ny adin-tsaina
Izay mampiferin'aina,
Nohon'ny faharavàna
Niseho tany an-tanàna,
Izay nataon'ilay mavàny.
Tena ankaso loza an-tany!
Dia tononkalo tsotra
Avy ao am-po mipololotra
No hany arindra ankehitriny.
Ho an'ny Rovanay fahiny.

Ravarava ianao, nikoro.
Vato zara raha mijoro.
Toa poak'aty babangoana,
Tsisy endrika ary moana!
Potipotika sy may
'Lay rehareha fahizay.
Ny toe-javatra toy izao
Dia mangidy mankalao.
Mampalahelo ianao ry taniko.
Ry Gasikara mamiko

Rova simba tsy hay jerena!
Ry fireneko very harena.
Rova may ka nianjera,
Ry fireneko mihevera.
Rova lavo mahonena.
Ry fireneko miarena.
Rova rava tapa-doha.
Ry fireneko mijoroa.
Rova levona mampanahy.
Ry fireneko mitrakà.

soama 10.01.96

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : soama

Nampiditra : soama
Daty : 09/11/2003
Mpamangy : 2037
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Rova
Nofy
Tsy haiko ny naneho
Ho an'i...
Vavaka