You are here: home > Vetso

MIVAVAKA - toubib

MIVAVAKA
Tsy tangoringorin’olona, re manandratra hira mafy
Kanefa tsy ela avy eo akory dia feno avonavona...
Fa miaraka mitolona, fo mitambatra sy miafy
Miray saina sy miory,  tsy ‘lay zara fa miangona !

Tsy miankanjo  fanaperana, miezaka ho tazana
Ka dia toa madio ivelany, raha jerena dia fasana
Nefa ao anaty ao korotan-taolana sy ngazana

tsy hampidera ny fananana, firazanana na fomba
ka ‘lay fetin’ny taranaka, ‘zay  vao hita tena tonga
izy ity dia tsy somonga !.....

fa fotoana sesehena, fanomanana ny ho avy
feno fanolorantena, famahana ireo ady
korontana ‘zay mahonena, sy fisaorana ny avo
satria ny tany raha jerena, dia matetika mandavo

fotoana feno fanavaozana, ireo voady tsara rehetra
amin’io koa no handaozana, ireo faharatsian-toetra
eo no tsapa ao anaty , ny ota tena namohehatra
ka dia tapaka ny hevitra fa hiova ho tena mendrika
ka hiala amin’ny sampy, sy ireo toetra mahamenatra……
ka ho tena ho mpandefitra, hifanampy fa tsy hanenjika !

tena ilaina ny mibebaka, mifankahita sy mivavaka
eto an-tany tena reraka, tamberin' ady anaty lavaka
ka raha sendra ny manjo, trotraka mivalo arika
na koa  fitahiambe, amby ampy tena atao hoe lafatra
mijanona kely aloha, dia andeha re mandohalika
fa ho tsara no aleha, rehefa ianao tena mivavaka

Toubib. 2018.02.17




Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : toubib

Nampiditra : toubibtah
Daty : 17/02/2018
Mpamangy : 297
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

matimaty foana ve?
HERITRERITRA
MPITSABO
MANANTENA
gasikara

Hametraka hevitra

Midira aloha