HERITRERITRA (toubib)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
eo akaiky tsy hay fihinina, nefa tsapanao mandindona
mitambesatra toa inona, sady zava-misy tsinona.....
heritreritra no anarany, tena sarotra vonoina
henoinao ny fitantarany, trondrobe ianao jonoiny.
milamina izy, ianao matavy, misompatra izy, mampanavy
fa ny tena maharatsy azy, dia ilay hoe mamosavy!
antoandro ianao tsy hiangotiany
alina,.... tsy hampatoriany
fa midiridiry maso, sy mifoha sary mazoto
nefa hery be toa afo, izay manindry manaboto
dia eo ianao dia mifanehitra
atopatopan'heritreritra!
rehefa izy no mba marina, sy mitombina ny ambarany
dia eo ianao toa feno arina, maloto mihaino ny tantarany
dia antsainy hatsimpirihany lay hoe: tsy tianao h' heno
ary dia habaribariny, izay hoe: tsiambaratelo
ka raha toa mifanandrify ny izy sy ny ambom-po
dia aoka tsy lazaina maro, fa dia resa-be tokoa:
fa mbetik' halahelo mafy feno fihantsiana ady
mbetika toa lolom-po no mamatotra toa tady
tsy mba azo alefa foana, amin-java-tsy maharitra
fa aleo mangina moana, na aleo misaina lavitra
fa ra-haritreri-dratsy efa fantatra ny lalany
manimba io atsy ho atsy, sady tena misy farany....
raha efa ratsy no mihantra, nefa tsy mba ninianao
dia ts' any aminy mihanta, fa ny tsara dia izao:
avelao izay nahavanona, sy mandoza izany tena
fa tsy haharitra hahajanona, eo no eo ezaho resena....
fa raha resy ny heritreritra, dia azonao ny fandresana
tsy hilonjehitra mitady zava-maro mahonena
fa aleo misaina tsara, na dia efa mihafy mafy
satria be no mbola adidy, ary jinjaina izay hafafy

Toubib. 28.06.17 00h
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
771 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : toubib
Nampiditra : toubibtah
Daty : 12/02/2018 20:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014