matimaty foana ve? (toubib)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha atao indray mijery ilay fito amby efapolo
dia mahalala tsianjery, Gasikara manontolo
fa... hoe tolona nafana nitakiana fahafahana?
kanefa raha jerena tsara,.... 'zany maso tena pahana!
tsy atao hoe badraodra, no fahavalo manoloana
ny an'ny tena tanampolo, ny azy basy tsara fahana
izy vonona ny handroba, ianao matimaty foana!
efa azy ny tontolo...., ny hafetseny koa nibahana

dia nafatratra toa zezika, anaty fiaran-dalamby
nofitahina hanantena fahafahan-tsarisariny
tena tsapa fa ho rendrika,... ary tena hikodia
indrisy olo-mahonena, hianjadian'ny tsy rariny!
dia tsarovana eto foana ilay "wagon" moramanga
raha jerena dia paoma, asesika ho an'ny banga
satria tsy hita izay mba tanjony ankoatran'ny faharesena
fa tsikeraina ny anjoanjony, sy ny hevi-petsy nahonena

misy koa 'reo notifirina nohazaina toa lambo
novonoina sy nijaly tao anaty hanoanana
tsy mba afaka nipirina ary tena ratsy akanjo
nefa dia nahasahy namaly, na tsy misy afatsy tanana
dia niady tsy handresy.... tsy nitandro izay fotoana
resin'olo-fetsifetsy,.... tena matimaty foana!

re siosio taty aoriana, fa 'reo sisa tsy mba maty
dia tsy afaka misondrotra, tsy mba manana na sotro
kanefa dia mahavariana, fa ireo no hoe "niafy"
ary ekena anaram-bositra, ireo no antsoina hoe "bekotro"
dia 'lay olon'ny tantara, mitanisa izay mba hitany
ary raha jerena tsara,... na mijoro aza tsy vitany
ny hatanorany dia nangidy, ny fahanterany tsy mamy
raha ireo no nisafidy,.... dia hirotsaka tomany...
hoe:
tahakizay nihirim-belona, niandry anjara teo foana...
satria anio raha mbola velona, mbola ho matimaty foana!
tena feno fahantrana, sanatria raha mba hoe afaka
toa olona sanĂ na,.... ilay fahavalo iry toa lafatra....
mbola tena manan-kery tsy hita intsony hotoherina
fa aleo miteny irery,... zara aza mba hoe velona!
tsy mba maty sisan-tsaona,.... ka hoe matimaty foana!

he hianao ry Gasikarako, moa mbola anaty tolona?
sa mitaky fahafahana? efa tara daty sy ora!
aza disoina ny anjarako,... aoka isika tsy hiolonolona
ka ny asa no ezahana! .... tsy hisy intsony martiora
hosintonina 'zay raraka!
mba hiadanan'ny taranaka
ireo vahiny ireo ho moana
ianao tsy matimaty foana!
toubib 29 mars 2018
--------
Rohy:
698 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : toubib
Nampiditra : toubibtah
Daty : 30/03/2018 18:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101