You are here: home > Vetso

Ilay hazom-pihavanantsika - Voromailala

Efa ela no naniry
Ilay hazom-pihavanatsika
Tonga faka nankadiry
Ka tsy handairan'izay riaka

Sanatriaviko tokoa
Raha izaho no hamono
Ilay hazon-tsika roa
Mbola lena tsy voadoro

Voa mifoha aho ny maraina
Dia ny hanondraka azy avy hatrany
NO haveriberiko ao antsaina
Mba hamoazany ilay zava-mamy

Ankehitriny aloha
Mbola raviny avokoa
No haterak'ilay hazo
Hantenaina tsy halazo

Raha mamoa tokoa manko....

Hametraka hevitra

Midira aloha