Ny hatsaranao ry tiana - Voromailala
Nantsain'i
ikalamako
ikalamako
Miala tsiny aho raha ny soratra
No fonosana hitondrako
Ireto fehezanteny tsy voatohitra
Tsy mijanona manako
Ireo teny izay notsongaina
Nisidina ka voatoraka
No nolalorina tao an-tsaina
Nihary lasa rafi-tsoratra
Mamy ny fary fa misy faikany
Mamy ny akondro fa misy hodiny
Ny hatsaranao kosa ry tiana
Dia ilay mamy tsy misy hariana
Ary mamy tsy andrasana
Satria mamy tsy voasana
Mombamomba
Mpanoratra : Voromailala
Nampiditra : voromailalaDaty : 08/12/2003
Mpamangy : 5925
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
FahasambaranaNy Tempolin'ny Tompo
Ny Ankehitriny Ihany
Caramail
Fanalahidy ny fitiavana
Ny foko
Voninkazo tsy manantsahala
Tsy hiafiako
Fitia tsy mety lany
Ireo nihoaran'ny vintana