Fahasambarana - Voromailala
Azo vakiana?
Ilay Fahasambarana voajanahary
Dia Hasambarana avy ao anaty
Tsy misy rohy toy ny voambary
Fa ao am-po tsy mety maty
Nahazo ny anjarany avokoa
Isika rehetra eto an-tany
Na mpanota na mpanasoa
Hatrany ampiandohany
Indrisy anefa fa voatotora
Fitiavan-karena sy voninahitra
Ka nanjary feno lomitra
Ilay fitiavan'Andriamanitra
Koa diovy re, ilay Fo
Ary hampitonio koa ny saina
Hampiverina azy hifoha
Hadaozany an-draKarakaina
Mombamomba
Mpanoratra : Voromailala
Nampiditra : voromailalaDaty : 23/02/2013
Mpamangy : 4068
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny Tempolin'ny TompoNy Ankehitriny Ihany
Ny hatsaranao ry tiana
Caramail
Fanalahidy ny fitiavana
Ny foko
Voninkazo tsy manantsahala
Tsy hiafiako
Fitia tsy mety lany
Ireo nihoaran'ny vintana