You are here: home > Vetso

......AHY IANAO. - ZO-NILAINA

Ahy ianao no fantatro !
.
Tsy misy ankoatr'izay, ny zavatra mba takatro
Ato anaty lohako ato.
.
Tsy misy ankoatr'izay ny hetaheta nandrafetako
Fo nofo, ho lasa vato.
.
Tsy misy ankoatr'izay, ny antony hanoratako
Ho anao tsy mba miato.
.
Tsy misy ankoatr'izay, ny tanjona tratrariko
Mandra-pahafatiko.
.
.....Ahy ianao ry taniko !
.
.........ZO-NILAINA.

Mombamomba

Mpanoratra : ZO-NILAINA


Nampiditra : ZO-NILAINA
Daty : 10/07/2018
Mpamangy : 608
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

MISY VONINKAZO....
ARAHABAINA iNENY
HO SORATAKO IHANY.
MITIA.

Hevitra mandeha

raims randriamalala (10/07/2018 19:26:11)

mafinaritra e!
AHY IANAO NO FANTATRO
ka tsy misy asoloko anao
ry taniko tena mamiko!!!
tsara e!!!!

raims randriamalala (10/07/2018 19:26:15)

mafinaritra e!
AHY IANAO NO FANTATRO
ka tsy misy asoloko anao
ry taniko tena mamiko!!!
tsara e!!!!

ZO-NILAINA (11/07/2018 07:34:01)

Mankasitraka ranamana a, ianao koa no isaorana namaky e!

Hametraka hevitra

Midira aloha