HO SORATAKO IHANY. - ZO-NILAINA
Azo vakiana?
Ho soratako ihany
izay miafin'ny foko,
noezahi-nafenina
hatramin'ny omaly.
.
Ho sorotako ihany
fandrao ho toloko
tsy haiko sitranina
no hiafaràny.
.
Ho soratako ihany
na dia tsy finidy,
Asosako mora
'ty peniko manga.
.
Ho soratako ihany
ho diary tadidy
ny ngidin'ny fiainako
efa nitranga.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : ZO-NILAINA

Nampiditra : ZO-NILAINA
Daty : 27/05/2018
Mpamangy : 622
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
......AHY IANAO.MISY VONINKAZO....
ARAHABAINA iNENY
MITIA.