MITIA. (ZO-NILAINA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa tia mitiava,ny saina, fo, fanahy.
Miezaka manaja.
Mitia tsy an'ahiahy.
.
Rehefa tia mitiava
tsy resim-pahavalo,
Mitia tsy mora ravan'
ny rivotra mandalo.
.
Rehefa tia mitiava
doria mandrakizay,
ilay tokana sahaza
natolotry ny Ray.
.
Rehefa tia, mitiava
k'izao no tadidio:
tsy fifaliana lava
raha io fitiavana io.
--------
Rohy:
Mpakafy:
Djess - ZO-NILAINA