You are here: home > Vetso

ARAHABAINA iNENY - ZO-NILAINA

Ny voalohan-teny
eto am-bavanay ry Neny
amin'izao maraina izao,
dia "MIARAHABA ANAO".
.
Arahabaina ianao satria,
andro iray natokana
ho anao ity andro 'ty,
.
saingy na izany,
ô ry Neny maminay,
tsy ny andro anio ihany
no miarahaba anao izahay,
.
Fa ny fiainanay rehetra
mbola hoavy manontolo, Hiarahabàna anao daholo.
.
Fa Reny foana ianao,
Neny tsy mandao hatramizay k'hatramizao,
fa tia ny ankohonanao.
.
iNeny niara-paly.
iNeny niari-jaly.
Ry Neny tsy nanary,
enganie ianao ho ela velona eto an-tany !

Mombamomba

Mpanoratra : ZO-NILAINA


Nampiditra : ZO-NILAINA
Daty : 28/05/2018
Mpamangy : 222
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

HO SORATAKO IHANY.
MITIA.

Hametraka hevitra

Midira aloha