RY VETSO, RY VOLANA, (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY VETSO, RY VOLANA,



Vetso ô!...misaotra anao tsy mangina iky fa mitanisa hatrany hatrany
ireto hetahetam-poko...na tsiky io na tomany.
Eny, aza mihato re mba lazao aminy fa ilay fo tena tia, te hamangivangy
tsy ho resin'ny mavàny.
Satriko ianao ry vetso, ianao tsy mahafoy, no hitanisa sy hanambara
fa ao anaty foko ao misy hira tsy mety lefy fa hankoako hatrany ampara.
Mba ampitao aminy f'ilay fenitrin'ny nofiko, bitsiho mora ho rotsirotsiny,
Dia hasambara-tsy hita lany, tsy resin-drendrarendra, Fanahy sy Fo ranofotsiny...
Ny ritsokin'ny diniko ampahafantaro azy fa feom-baliha tsy mitaraina
Tsy mbola misy tonony ao hafa tsy ny hoe : tia anao aho sombinaina.

Ry volana ô ! aza mbola misoka re ka hiantso iretsy rahona, iangaviako indrindra ianao,
Fa tiana hifanojo ny masonay efa maika hibanjina ny fangasoasonao.
Eo aminao no fifampitaonanay, jery ihany nefa koasa,
Maso te-hilaza ny tsy fanadinoana sy ny fitia miavosa.

Meteza ho vetsoiko ry hany mamiko indrindra .
Avia ho banjiniko ry tsy foiko, tsy tiako hifindra.

Dia misaotra anao ry vetso manaiky ilaza izany.
Mankasitraka ry volana, r'ilay fiandrandranay hatrany.
Eny, izay aloha ny anio, nefa mba ekeo re raha mety,
Mbola hisy hambara rahampitso, koa
Mandrampihaona vetivety

Zozoro
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2139 2
Mpakafy: Zozoro - benasy
Hevitra mandeha
benasy ( 28/05/2009 04:40)
Sambatra izy tsaroan'ny vetsonao..... Sambatra !
kapistra ( 28/05/2009 07:26)
Vetson-takariva amin'ny andro diavolana
Mampanembona ny lasa izy zany an!.
Ny lasa tsy hiverina intsony.
Ntsô.....Mampitomany.
Mba omeo mosoara aho azafady zay manana....
raozigasy ( 28/05/2009 09:54)
O ry Vetso

O ry vetso, fampitana embonembona, miangavy
O ry vetso, ilay sakaizan’ny fitia be elanelana
Ianao no anankinako ny ampitso sy ny ho avy
Hamafiso ny fitia , anananay fa aza aserana

O ry volan-tsinjo lavitra, mahita izao tontolo izao
O ry volana eny ambony, haiko fa ianao banjininy
Ka abosesiko aminao, ireo hafa-poko ampitao
Handatsa-paka ilay fitia, ka tsy hozarainy fa fihininy

O ry vetso, vazom-po, ritsodritsoka fitia
O ry volana somamby, taratr’ireo tsiahy mivoaka
Soa fa teo moa ianareo, fa amin’iza aho no hiara-dia ?
Rehefa tsy tohitro ny sedra, homamiadam-po mandoaka

Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147