TSIAHY (ZOZORO)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIRAN'NY FO

Nahoana ianao no mitomany ?
Tsia fa hira ihany izany.
Hiram-po misentosento
leon'ny fitaky ny eto.
Hira enti-mahatsiaro
irony lasa nifangaro
sy ny voady sy ny dina
notononiny mangina.

Zozoro
--------
Rohy:
Sokajy : Tsiahy
2453 1
Hevitra mandeha
raozigasy ( 08/08/2010 23:05)
Ilay ranomasoko iny

Ilay ranomasoko iny, tsy tomany iny akory,
Na koa sentosentom-po , na vetsovetson’olon’ory
Fa hiram-po izay leom-pitaka, vetson’olona mangina
Raha nahatsiaro fa voahitsaka, ireo voady s’ireo dina

Ilay ranomasoko iny, tsy tomany velively,
Fa zoton-trakan’ny tsy resy, raha voa mafy sy voavely
Ary tsipi-panohizana, entina mizara ihany,
ilay omaly efa lasana, sy ny ampitso efa tamy

ilay ranomasoko iny, tsy tomany izany mihitsy,
fa maso ditsoky ny lasa, sy jenjin’itsy setroka itsy
aloka nandalo fotsiny, nitondra rivo-baovao
satria ilay fiainam-baovao, efa ao alohako ao,
Zozoro ( 09/08/2010 07:21)
Misaotra Raozy a! mbola hafa ihany ianao e!

Tena mankasitraka tokoa e!


Ny toeranao sy ny ahy
Ny lalana niraisantsika
Ny alin-tsento nampanahy
Ny nofinofy mamintsika
Ny fisarahana tsy fidiny
Fifanantonana nandao
Niova ho HIRA soa ny ngidiny
Dia nokaloiko ho anao.
Zozoro
raozigasy ( 09/08/2010 23:10)
Nivadika

Nivadika ho teny maina, ireo arirarirantsika,
Nivadika ho kabary moana, ireo angano vitantsika
Ka ireo lalana niraisana, ireo fitiava-nozinara
No niaraka nisintaka, f’efa rava ny tantara

Kanefa anie ireo teny maina, no navadiko ho antema
Ary ireo kabary moana, nataoko tsantam-panekena
Ka namoronako an-kalo, ireo ngidim-pisarahana,
Ho litanian’ny tantara, vazo sisam-piarahana
kolesy ( 15/08/2010 17:17)
FITAKA...

Avelao hiriaka ny ranomasonao
Ndrao handratra koa ny fo
Avelao hikika ny antsoantsonao
Fa sentosento izay... senton'ny taloha.

Ve ny fitaka hanjary
Trebiky ny lefona avy tao ivoho
Ve ny ankaso koa misary
Aloky ny lasana ... lasa tsy hifoha ?

Vahao izay maneritery
Dia sokafy koa ny saina
Ao...Tapahinao samirery
Ndrao dia mety haningotr'Aina.

Zozoro ( 15/08/2010 17:31)
Ninia aho tsy nisaina
Noho ny tsy hisiany indray
Ilay tany nokasaina
Hamboarina am'izay
Ka anjary ilay Edena
Dia narodan'ny ankaso
Ka tsy azoko fefena
Izato onjan-dranomaso...
SIOKATOKANA ( 08/08/2011 06:58)
Ny ankaso misy faona
Toin'ireny mamba naona
Isan'andro sy isan-taona
tsy mifidy izay ho harapaka

Ka mahereza,hatrany
Fa ny sento sy tomany
Mbola hivadika ho mamy
Ka hitohy fa tsy ho tapaka


Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136