Ampidiro aloha ny tenimiafina
Hampiditra sary
Nampiditra :
ramamsh
Daty : 18/04/2008 10:43
Nijery : 625
Tononkalo: 0 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo Daty : 18/04/2008 10:43
Nijery : 625
Tononkalo: 0 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
ramamsh
nahoana moa?nahoana moa no andeha hitia raha toa ka hampijaly
ka ny rakitry ny omalin'ny fitiavana no hamaritam-piainana
tsy aleove mangina na tsy mitia akory raha ny tanjonao hifaly
ka hanalavitra aoka izany izay mety ho fitarainana.?
nandinika ihany aho izay mety ho vokatsoa raha tsy mitia
vao mainka hay ratsy lavitra, fa izao hita rehetra izao
misidintsidina eny foana ka manketsy mankery
tsy mahalala akory aiza ho aiza aho raha tsy misy ny fitia.
aleo mitia e!fa maninona ary moa raha adoboka ity fo
tsy izany ve ny asany sady tsara ny kinasany.
raha misy izay manjo ao anatin'ny fitiavana, tsara raha ny fo roa no miara-miaritra izany, izay no paradisa an-tany
ekena fa ny olon-tianao tsy dia hoe ianao
ka hanaiky izay hevitrao rehetra
fa misasaka ihany kosa anie ilay fo kely toa maratra
ary tsy azonao atao ny mampijoro irony fetra
ka aoka ianao handanjalanja ka tena hahay hamatra.
izay e! tiava raha mbola azo atao fa izay no anton'ny eto an-tany.
ka mahaiza ary mitia, tsy ho vetivety sanatria
fa haharitra ho mandrakizay, izany fitiavanao izany
ao ambadiky ny tsiky, ao no misy ny tomany
Rohy:
https://vetso.serasera.org/mpanoratra/ramamsh
Tononkalo ( 0)
Tsy misy tononkalo hita.
Antsantononkalo
Mbola tsisy niantsa
