Insérer une photo
Inséré par :
Randrianarivo
Date : 04/10/2024 03:43
Visite : 58
Poèmes: 0 Cliquer ici
Fans : 0 Admirer
Insérer un poème Date : 04/10/2024 03:43
Visite : 58
Poèmes: 0 Cliquer ici
Fans : 0 Admirer
Randrianarivo
RANDRIANARIVO Rolly Casimir na i Rolly Casimir hoy izahay namany fony izahay nianatra tao amin'ny LMA(Lycée Moderne Ampefiloha).Teraka tamin'ny 10 Jolay 2001 tao Antanimietry Manalalondo izy. Mpanoratra, Mpikabary, Poeta(Mpikambana HAVÀTSA UPEM, Haintso telo, Akon'Antsa).Ireo no fikambanana nahalalako azy ary filoha mpanorina sy mpitarika ny Akon'Antsa tao amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha izy.
Olona tia ny fomba amam-panao malagasy i Rolly Casimir ary izany angamba no nahatonga azy handalim-pahalalana ao amin'ny "Hai-kanto momba ny teny sy Hai-raha maha olona" eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo ankehitriny.
Rolly Casimir, olona tia mamaky boky ny lehilahy , boky maro no efa nolalovan'ny masony ary isany tena mahasarotiny azy ny fanajana sy ny fanomezan-kasina ny boky.Matetika no miady hevitra amin'ny lohahevitra voasoratra amina boky izahay roa lahy. Isany mpanoratra tena nankafiziny i E.D.A ary izany angamba hoy izahay sakaizany no nahatonga azy liana sy tia adi-hevitra mandrankariva. Izaho manokana dia sahy milaza ity teny ity:olona sarotra resen-dahatra i Rolly Casimir.
Santatra am-bavarano ihany moa ity boky "Vaingan-dranomaso" navoakany ity fa mety mbola hoavy ny manaraka satria sady manoratra sombintantara, riankalo sy hafa koa izy.
Sento Tokana
Mpanoratra
Poeta Malagasy
In "Vaingan-dranomaso" nosoratan'i Rolly Casimir
2022
Lien:
https://vetso.serasera.org/mpanoratra/randrianarivo
Poèmes ( 0)
Aucun poème trouvé.
Lectures
Pas encore lu