Commentaire sur Rio

Retour vers Rio
mierimbetso ( 10/07/2013 07:35)
Te hitaona sy hanaitra ny hambom-pon'ny Poeta sy Mpanoratra tanora aho mba hiverin-dalana ka hanome lanja indray ilay aingam-panahy Malagasy fehizay, izay mirona kokoa amin'ny fomba fanoratra tatsinanana, ka tsy fehezin'ny tsy maitsin'ny fitsipi-panoratana fa dia malalaka, na amin'ny fanehoan-kevitra na ny drafitry ny fanoratana, ary hanome hasina bebe kokoa ny teny enti-manoratra, fa tsy dia lany ron-doha amin'ny fanenjehana ady rima tsy akory.Diniho anie irony aingam-panahy havoitran'ny mpanao salamo e!Hevero fa tsy lavitra an'ireny ny tena fanahy Malagasy marina...Misy ireo misarika ny sain'ny tanora mba haneho fomba fanoratra mivantana sy mahitsy, izay ambarany hoe tsy variana mievaeva any an-danitra tsy tratra,fa hilaza sy hikalo ny zava-misy marina eo amin'ny fiarahamonina sy fiainana an-davan'andro; kanefa hoy aho hoe: matsiro kokoa, ary misy asa mavesatra any am-po, ho an'ny mpandala marina ny zava-kanto, ilay heverina fa nofinofin'ny poeta sy mpanoratra, ilay heverina fa miriorio sy manidintsidina...
Tsipy teny kely monja ny ahy iny, fa miala tsiny amin'ireo betsimisaina!
Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117