Insérer une photo Inséré par : vazivazo
Date : 22/03/2016 09:34
Visite : 1386
Poèmes: 1 Cliquer ici
Fans : 0 Admirer
Insérer un poème

vazivazo

Lien: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/vazivazo
Poèmes ( 1)
Lectures

Pas encore lu

Derniers commentaires
vazivazo ( 22/03/2016 09:38)
NAMAKO FOANA


Niresaka isika tanaty sera
tsy voafetra-potoana
Finaritra ery mifanala azy
dia nivazivazy an-tsari-teny
Ny maraina sy atoandro
Dia indro isika
nifanoratra eo foana
Nefa ankehitriny
toa very momoka avokoa ireny

Eny! asa loatra,
tena mba tsy haiko
hoe fa dia naninona?
Izato ianao
toa niova tampoka sy vetivety
Raha izay moa
no mety aminao
dia tsy mampaninona
Nefa hoy aho lazao ihany
Izay nataoko ka hoe tsy nety



Namako ianao hoy aho taminao
hatrany am-boalohany,
teniko izany!
Nefa re’ lahy raha tsy sitrakao
dia tsy mampanahy
aleo aho hangina
Ary am-pitoniana
hitazona ihany
Ilay “ ianao namako” ,
Toa tsy mba manina ahy
Fa miavona hatrany !!!




16 Mars 16






















© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144