Elanelan-tany (Ako-mandrotsy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa ilay elanelan-tany no nasahintsika nilaza ilay fitia nokobonina tao am-poDia nanjary ilay elanelan-tany no indro nahatsapana fa ilay fitia hoe sangisangy, hay nafonja tokoa
Tsy azoko hiverenana ny lasa ka hilazako anao mivantana
Fa ilay fitia sangisangy noheveriko fialan-tsakana
Rehefa alavitra anao aho vao tsapako fa tsy mba kilalao
fa tena fitia saingy tsy tsapako raha tsy efa tsy eo ianao
Saingy tamin'ireny fotoana ireny na dia nidoboka aza ny foko
Dia natahotra izay ho jery sy izay mety ho valin-teny
Dia nokoboniko ho ahy irery ilay fitia tsy ho voaloto
Indrisy nefa nony efa alavitra vao indro ianao niteny
Fa tamin'ireny fotoana ireny dia efa nitia ahy ianao
Saingy tsy sahy tsotra zao nilaza tamiko mivantana
Dia niahotra teny foana sao hosimba ny fihavanana
Raha tamin'ireny fotoana ireny manko no mba nisy oroka malemy
Raha tamintsika nihaona ireny no nisy safosafo na dia kely
Dia mba nahita fahasambarana tanaty andro vitsivitsy
Dia mba faly koa aho satria notiavinao saingy indrisy.............tsy hotanteraka intsony
Mantsy androany ilay fitia vao notabatabaina tsy nofehezina
ka toy ny mpitsabo arinan'ny fahafatesana
Na dia misy aza anefa ny elanelan-tany
dia ny foko misisika mitady anao ihany
ny saiko manjombona mila ho sasatra
Manembona anao foana rehefa andro fialan-tsasatra
Fahatsiarovana isisa ireny
Ny aloka isisa nanaraka
Ako mandrotsy dia mandray kiana. Misaotra namaky :)
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
Ako-mandrotsy