Hevitra momba ny Toi et moi

Hiverina amin'ny Toi et moi
raims randriamalala ( 07/06/2018 13:30)
miarahaba an'i all(alina), tononkalo ve ity sa tononkira azafady?
raha tononkalo io dia fantaro aloha hoe inona no atao hoe tononkalo? fantatro fa tia manoratra ianao ary tsy tena aingam-panahy loatra io fa ainga avy ao an-tsaina fotsiny ihany
raims randriamalala ( 07/06/2018 14:07)
raha tononkalo koa no atao dia fadio ny mametraka ny lohateny amin'ny vahiny kanefa ny tonony amin'ny teny malagasy misaotra tompoko o, mba ho fanampiana anao ny kiana fa tsy hoe te hanakiana be fahantany akory dia tandremo ny tsipelin-teny a, mazoto manavao hatrany ny asa soratra e
All (Alina) ( 07/06/2018 15:18)
Misaotra amin'ny torohevitra fa ny tena namana tokoa tsy misorona
raims randriamalala ( 07/06/2018 16:45)
Mafinaritra namana, mba efa toa anareo koa ny tena e, hirariana ho loharanon'ny kanto ianao e, toro-hevitra ihany io fa ny tena tsara dia miditra fikambanana dia ho hitanao fa hiova ianao, ao mantsy mba misy manoro ary misy manitsy, izany aingam-panahy izany mantsy tsy azo tsinontsiniavina e, dia fanabeazana no hita amin'izany ary hafatra no ampitaina ho an'ny mpamaky, dia noho mila tandremana ny tsipelin-teny, tsara fa tohizo ny asa soratra e!!!! dia aza taitaitra fotsiny anefa a!!!
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0091