FAHORIANA MAVESATRA (Andrianarivo Fanomezantsoa Raphaël)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHORIANA MAVESATRA
Mavesatra ny enta-mitondra ao anaty fo,
Mangina ny vava, nefa mitomany ny ao.
Ny tsiky eny ivelany toa manafina ratra,
Fa ao anatiko ao, ny fahoriana mavesatra.
Indraindray aho manontany ny lanitra hoe:
“Mandra-pahoviana no hitondra izao re?”
Ny andro misava, ny alina tsy mety lany,
Ny ranomaso mangina no namako isan’andro hatrany.
Misy nofy rava, misy fanantenana very,
Misy olona nianteherana nefa lasa nandao irery.
Rehefa mitady tanana aho, tsy misy mandray,
Ka ny foko maratra no sisa entiko mitaraina.
Kanefa na mavesatra aza ny entako androany,
Tsy hanaiky ho resin’ny haizina aho mandrakizay.
Fa fantatro, na dia maizina aza izao lalana izao,
Mbola hisy maraina, mbola hisy hazavana indray ao.
Ry fahoriana ô, mety nandratra ny foko ianao,
Nefa tsy ianao no hamaritra ny fiainako izao.
Hitomany aho raha ilaina, hijaly raha tsy maintsy atao,
Fa indray andro any, hitsangana aho-tsy ho resinao!
25.08.2026 Ny Andri-Fara Voir moins
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
5 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Andrianarivo Fanomezantsoa Raphaël
Inséré par : ILAIMAILAKA
Date : 25/08/2026 08:34
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116