Ny fiainana (Ayan T)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mianjady ny mafy raha toa ka miaina
sarotra ihany, eny niady ny saina
fotoana lalovana raha ny eto an-tany
ireo ady vita dia fiainana ihany

fiainana, nahitana ny mamy
fiainana, nikirizana ihany
fiainana izay nazahoana safidy
nefa indrisy fa sendra ny ngidy

"tonga mavitrika tsy mba mingitrika"
raha azo atao ijanona ihany
fiainana sampona manome litika
io ilay fiainana iray izay iveloman'ny tany

ny fiainana, izay ireharehan'ny olona
nefa koa, izay iforetan'ny hafa
hanakatra ambony hihoatra ny vorona
fiainana ihany nefa ka tsy ijafajafa

eny! maro ireo olona izay atao hoe mijaly
nefa,...tsy atao ahakivy satria fiainana izany
--------
Lien:
Catégorie : fiainana - Fahatsiarovana
991 1
Fans: tsinjoh21
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ayan T
Inséré par : tsinjoh21
Date : 26/11/2015 18:11
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141