Sitra-po (Bryan's Keyrah)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
sitra-poIzaho tsy niady taminao
Ka nahoana ianao no nandao
Miverena ry tiako
Fa ianao no safidiko
Ô zany fitiavako nilaozanao toy izao
Malazo ohatry ny ravi-mangahazo notaran'ny masoandro
Sitra-ponao hoy aho ny nandao ahy
Ka raha tsy hiverina ianao
Veloma fa tsy manahy
Mitso-drano anao aho
Mba ahita izay tadiavina
Omeo tso-drano koa zaho
Mba ahita olona hotiavina
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
kanto01