Kanto Ianao (CelesRanaivo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao hasina eny AmbatomiantendroSady avo no mandina.
Nandalo ianao ka niserana
Nefa ny sarinao
Raikitra ato an-tsaiko.
Ny tsikinao tsy haiko ho adinoina,
Ny alokao manjohy ahy foana.
Tsipolotra tery an-tany ngàzana aho
Niantsampy taminao nandalo.
Niandrandra aho, niandrandra.
Avo ny lanitra nefa takatro.
Niraraka ny kintana.
Nifanojo zaho sy ianao,
Fitia nifamaly ny antsika.
Ianao zanaborondreo manga feo
Izaho zanaboromanga tsara loko.
Antananarivo, Alakamisy, Asotry 13, 2011
Mitsidikandro
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana