MALALAKO (cute)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALALAKO

Ianao mahita olona tsara tarehy
Dia tsarovy f`izay no malalako
Mahatsikaritra olona tia mihomehy
Tena tiako izy fa tsy hohalako

Malalako izy satria ny tsikiny no mamelona ahy
Ka ny fitiavako azy no mahatonga ahy sahisahy
Sahy ilaza ny ato am-poko
Fa izy ilay malala tsy foiko

Be ireo adiady izay natao
Izany anefa dia itiavako azy tsotr`izao
Babonao aho ry malalako
Eny tena tiako ianao rahavako

Inoko fa ny fitiavanao dia toy ny ahy
Satria ianao no iriko hiarak`@ko rahatr`izay
Ka ho entiko eo @ ireo avako
Ho lazaiko hoe:"izy no malalako"

cute
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1931 0
Commentaires
tizia ( 24/05/2007 06:20)
tsara be e! tsisy kianina
cute ( 03/07/2007 08:19)
merci oh!!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : cute
Inséré par : cute
Date : 31/03/2007 03:30
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161