lasa sy ho avy (danielR)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fotoana tsy mahafaty n’inona eo imasom-paharetana
Na ny andro na ny taona na ho lasa tsisy fetrany
Tsy hamono izato fahatsiarovana ao anaty lalim-paka
Ka hanakana ny fo hilaza ny hetahetany, ny feony hitraka

Ny androany taratry ny omaly taratry ny apitso tsy ho lany
Ho tata lava tsisy fetrany, hitohy hikorisa, hizotra hatrany
Ka hiezaka hamaf’izay napetrany tamin’ny andro fahizay
Kinanjo sarotra ho azy ny hiverina handrombaka ireo toky tsy mba may

Ireo fotoana tsara, zary fahatsiarovana, hiverina handrotsy ny andro sarotra
Ireo ranomason’alahelo zary hery, ho fahavalon’ireo tahotra tsy hamatotra
Ny aloky ny famoizana, ny alim-pahoriana manamafy ny hazavan’ny ankehitriny baribary
Ny lavenon’ireo tsiky nentin-drivotra hivetso lalandava ny hiran’ny fanantenana mbola ho avy.
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
1263 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : danielR
Inséré par : danielR
Date : 26/04/2012 12:58
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134