Te (Dimitri)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Somambisamby ny andro tamin'izay
Nandalo ianao
Nanjopika Ilay fijeriko anao
Masoandro vao
Toa jambena ny masoko
Nipitrapitra
Toy ny nofy Ilay tena izy
Fitia mibaliaka

Raha mba azoko natao
Ny hiantsampy aminao, hamihina anao
Tiako tena tiako ianao
Ho ahy tsotra izao
Harena ho ahy

Misy hery hafa tanatiko tao
Nanantona anao
Hery tsy hay tohaina fa
Tena tia anao
Miantso anao, miangavy anao
Raha azo atao
Aingam-panahy te ho eny aminao
Na izao dia izao fa...

Efa azoko tsindrimandry
Fa ho sambatra aho
Raha eo ianao
Tsisy aizina
Ho feno hazavàna
N'y fiainana

Tena te aho
Ho eny aminao
Hiantsampy aminao
Hamihina anao

Dimitri
Mars. 2004
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
41 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Dimitri
Inséré par : dimitri
Date : 08/07/2026 12:33
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114