MBOLA HOAVY (Doloïer )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
" variana dia variana aho nitadidy antsika teto sy ny tafasirintsika " Dox in Eto an-davarangantsika. MBOLA HOAVY
Mbola hoavy ny andro sy ora mangina
Ampanembona antsika ny andro efa lasa
Sentosento mangina sy minitra sina
Nohon'ny toerana sy anjara, ny lalana voarasa
Mbola hoavy ny andro sy sengodra tsy tana
Segondra tsy handrenesam-peo tsy tomany
Embonembona tsy tana, tsiarotsiaro ny tany antanana
Ary alokin'ilay tsikitsikintsika tany hoany
Mbola hoavy ny andro sy takariva mena masoandro
Ampiraraka tomany, noho ny sangisangin-tsiaro
Alahelo mibosesika,maha mena maso, tsy foana isan'andro
Ny Embona saro-piala, ny fo Tia saro-piaro
Mbola hoavy ny andro sy minitra ampahory
Ampatsiahy atsika indray ny andro taloha
Nefa mialohan'izany:
"Androanintsika" ny androany.
Ny tsikinao no sary tiako hita alohan'ny hatory
Ny horokao mamy no tiako mitsena ahy vao mifoha.
Doloïer
13/03/18
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
doloier